Manomboka anio tamin'ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ary hifarana amin'ny 25 novambra izao amin'ny 12 ora alina.
Mamerina hatrany ny vaomieram-pirenena misahana ny fikarakarana ny fifidianana (CENI) fa mila manaraka ireo fepetra voalazan'ny lalàna ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolotsain'ny tanàna amin'ny fanatanterahana ny propagandy. Araka izany, tsy azo atao ny fanatanterahana fampielezan-kevitra amin'ireo toerana tsy nahazoana alalana avy amin'ny kaominina na koa ireo tompon-tany. Nilaza hatrany ny CENI fa tokony ho efa nivoaka omaly ireo toerana hahafahan'ireo kandidà manao izany propagandy izany. Tsy azo atao kosa ny manao fampielezan-kevitra amina toeram-pivavahana, biraom-panjakana, tranona orinasa tsy miankina ary trano hipetrahana miaramila. Voarara ny fampiasana fitaovam-panjakana izay mety ataon'ireo kandidà anivon'ny fokontany izay handalovan'ireo kandidà. Tsy maintsy manaraka fitsipi-dalao ireo kandidà mandritra ny fotoana iatrehana ny propagandy. Izay voasoratra ao anatin'ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra no tokony harahina hatrany, hoy i Thierry Rakotoarivo, filoha lefitry ny CENI. Azon'ireo kandidà hatao kosa no manatitra fitarainana sy fitoriana eo anivon'ny fitsarana misahana amin'ny ady amin'ny fanjakana raha misy ny tranga voamarika arahina porofo mandritra ireo andro hanaovana fampielezan-kevitra. Araka izany, ho hentitra mandritra ny propagandy ary mety hiafara amin'ny fanafoanana vato izay manao fandikan-dalàna. Tsiahivina, miisa 6.695 ireo kandidà ary tanjon'ny CENI ny hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.