Avo dia avo omaly ny feon’ny filohan’ny antoko politika Asandratro ny tanindrazako nandritry ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amina toerana iray etsy Ambondrona (Espace Tsara vin) manoloana ny fikasana hikapa ranjo an-kolaka ireo maniry ho kandida tsy miankina amin’ny fifidianana hitranga amin’ity taona ity.
Na inona na inona hitranga, izahay tsy maintsy hirotsaka amin’ny maha kandida tsy miankina, hoy izy ireo, fa tsy azo ekena ny fandrarana ary tsy tokony hatahotra ny fitondrana raha tena mamim-bahoaka marina. Hatramina fikambanana (association) aza hatahoran’ny fitondrana ankehitriny. Tsy nitsahatra niakatra ny vidim-piainana tao anatin’izao fitondrana izao ary efa 2500 ariary ny kilaon’ny vary ankehitriny. Ny jiro in’enina niaka-bidy tao anatin’ny taona iray. Ny sandam-bola nitotongana. Minisitra tompon’andraikitra amin’ny zava-misy eto ary takianay ny fialany sy fanoloana azy ireo ho olom-baovao mihitsy, ny minisitry ny fambolena sy fiompiana, ny minisitry ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany, ny minisitry ny varotra, ny minisitry ny atitany ary ny minisitry ny serasera. Vahaolana atolotray kosa ny hampiasana ireo tany tsy mbola misy mampiasa nefa azo amokarana mitotaly 18 tapitrisa ha eto Madagasikara. Hampianaro mamboly ny tanora satria tanora daholo ny 65%-n’ny Malagasy. Hamoray ny hetran’ireo tantsaha ary hamafiso ny fandriampahalemana any ambanivolo. Misy mpitandro ny filaminana ihany koa manery kamiao fotsiny nefa ny manempotra vahoaka amin’ny etona mandatsa-dranomaso no hainy. Aleo ny kamiao sasany alefa any am-bala hitaomana ny vokatry ny tantsaha avy any ambanivohitra, hoy hatrany ny Asandratro ny tanindrazako.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.