Politique

Fandaniana ny lalŕna momba ny fifandraisana Notambazana 1 tapitrisa Ar ireo depiote ?


  • Zoma 08 Jolay 2016

Araka ny efa nanampoizana azy dia lany teny anivon’ny antenimieram-pirenena tamin’ny misasakalina ilay fehezan-dalŕna momba ny fifandraisana. Solombavambahoaka 80 no nandany azy.

 

 Nandalo teo anivon’ny asam-baomiera moa ity fehezan-dalana ity omaly ary dia nisy ny fanitsiana andininy miisa 10 natao tamin’izany. Lavalava ihany taorian’io ny fiatoan’ny fivoriana teny Tsimbazaza teny saingy rehefa raikitra ny tsangan-tanana dia lany mazava ilay izy. Tsara homarihana fa tsy anisan’ireo nanangan-tanana ny solombavambahoaka avy amin’ny TIM. Solombavambahoaka tokana nitsipaka mafy ny fandaniana an’io fehezan-dalàna io halina ny kestora faha-3 Guy Rivo Randrianarisoa saingy tsy nisy nihaino moa izy. Efa fomba fahita maneran-tany ny hoe manolotra tolo-dalàna ny governemanta, mandinika, manaiky, mandà na manitsy azy io ny parlemanta, hoy ny minisi-panjakana Narson Rafidimanana izay nitarika ny delegasionina mafonja avy amin’ny governemanta teny Tsimbazaza. Natao ho an’ny rehetra kosa ny lalàna ary natao mba handaminana ny fiarahamonia izany, hoy ny minisitry ny serasera Vonison Andrianjato. Tsy nanao tery vay manta mba hampandaniana io fehezan-dalàna io ny governemanta, hoy izy. Nahoraka be omaly fa nisy ny vola 1 tapitrisa ariary nomena an’ireo depiote tsirairay nandany ity lalàna momba ny fifandraisana ity ary misy aza mety mbola nandray ambony noho izay. Maro ireo solombavambahoaka fantatra fa nahazo baiko tamin’ny alalan’ny SMS nalefa tamin’ny finday halina. Hivory eny amin’ny Villa Pradon Antanimena anio amin’ny 10 ora sy sasany maraina ny fianakaviamben’ny mpanao gazety handinihana ny dingana manaraka tsy mantsy hatao.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT