Mahalasa saina ny zava-misy mikasika ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana tampon’i Frankofonia amin’ny volana novambra 2016, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha Ramampy Lechat Marie Zenaïde
. Toa mikofokofoka sy manezakezaka amin’ny herin’ny tenany manokana toa soavaly mianto-bilona mantsy ny fijery ny fitondram-panjakana Malagasy. Iaraha-mahita sy mahatsapa anefa ny fahasahiranan’ny firenena sy ny mponina manerana ny nosy ka tsy ho zakantsika ny fandraisana ireo vahiny marobe ho avy eto Madagasikara mandritra io fivoriana goavana iraisampirenena io. Tokony handray anjara betsaka ara-bola sy ny lafiny fananganana fotodrafitrasa miaraka amin’ny fampitaovana samihafa rahateo ny «Organisation Internationale de la Francophonie», indrindra ireo firenena vaventy tahaka an’i Frantsa, Soisa, Belzika ary Kanada raha ny fomba fiasan’ny fikambanana sy ny fizotran’ireo andiany 15 voalohany hatramin’izay. Samy miantoka ny vola lanin’ireo delegasionina isanisany ihany koa ireo firenena niaviany fa mijanona amin’ny fanatontosana ny asa mifanaraka amin’ny tetibolan’ny OIF sy ny fampiantranoana fotsiny no andraikitry ny fanjakana sy ny vahoaka Malagasy, hoy ity olom-boafidy teo aloha ity.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Ramampy Lechat Marie Zenaïde filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.