Politique

Fandaniam-bolan’ny FFM 4,711 miliara ariary tamin’ny 2015


  • Zoma 10 Jona 2016

Nanodidina ny 78,55% ny salan’ny fampiasambola nefain’ny fanjakana Malagasy ho an’ireo andrimpanjakana sy rafitra samihafa miankina amin’ny fanjakana ny taona 2015, araka ny antontan-kevitra navoakan’ny

 

 «Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes». Minisitera nampiasam-bola latsaka be noho ny vinavina napetraka tamin’ny taon-dasa ny Tontolo iainana. Tsy nandaniana afa-tsy 14 miliara ariary mahery ity farany raha 85 miliara ariary mahery no voasoratra tao amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Fandaniana izay manome ny salan’isa 16,46%. Nisongadina kosa tamin’ny vola nampiasainy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika. Maherin’ny 151 tapitrisa ariary ny fitambaran’ny fandaniana tao amin’ity departemanta ity raha 150 miliara ariary mahery ny vinavina voafaritra tao amin’ny LFR 2015. 100,84% moa io tahan’ny fampiasam-bola io. Rafi-panjakana anisan’ny nandaniam-bola mihoatra ny voalazan’ny tetibola 2015 nahitsy kosa ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy. Nahatratra 4,711 miliara ariary ny fandaniana raha 4,507 miliara ariary no efa nomanina izay mifanandrify amin’ny salan’isa 104,53%.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT