Samy manao izay saim-pantany ny mpampiasa lalana ary tsy misy fandraisana andraikitra hatramin`izay. Tsy lazaina intsony ny afitsok`ireo mpitondra moto.
Manoloana izany, niara-nisalahy ny miaramila, polisy ary zandary nandamina ny fifamoivoizan`ny fiara sy ny olona omaly tetsy Anosikely nanoloana ny Antenimierandoholona hatrany amin`ny toby Ratsimandrava. An-jatony ireo mpitandro filaminana no nandrara ireo mpivarotra amoron-dalana hamelatra ny entany. Nanala ireo fiara miantsona eny amoron’arabe ihany koa izy ireo. Teo ihany koa ny fandaminana ny olona mifamezivezy teny an-toerana. Ireo izay minia miditra ao anaty arabe dia averin`izy ireo ao anaty lalana natokana ho an`ny mpandeha an-tongotra. Raha hiampita indray ny olona dia tsy maintsy ao anatin`ny “passage zebré”. Nalamina ihany koa ny taksibe sy ny olona miandry taksibe mba ho eny amin’ny trottoir no mijoro fa tsy anaty arabe. Maro no nankasitraka izao hetsika fanentanana ataon`ny mpitandro filaminana izao. Ankoatra izay, andrasana ihany koa ny fandaminana eo amin`ny fahadiovana. Mbola maro ny olona no mivalan-drano etsy sy eroa, manary fako sy tavoahangy eny an-dalambe. Ampahany ihany ireo. Etsy an-kilany, ireo mpivarotra koa dia ny entana lafony ihany no ao an-dohany sy imatimatesany fa ny ankoatr'izay tsy misy iasany loha ka izay no anton’ny nanetsehana mpitandro filaminana maro be hampianatra sy hanitsy ary hiambina ireo izay mbola mikasa handika lalàna. Nilamina aloha ny fifamoivoizina omaly ary antenaina mba haharitra hatrany ny hetsika fa tsy afaka fotoana fohy dia hiverina indray ny gaboraraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.