Politique

Fandalovan’ny rivodoza Hanova zavatra maro


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Nifanandrify indrindra tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelon’ny Parlemanta no nidiran’ny rivodoza Giovanna teto Madagasikara, omaly talata 14 febroary.

 Ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana moa no voatondro fa hodinihana, raha ho an’ny CST. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny tena ho fandaharam-potoana ho an’ny CT. Araka ny fantatra dia hambara miandalana eny izay asa miandry ny Kongresin’ny tetezamita. Raha ny tokony ho izy dia ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka no dinihana manaraka izao, raha tiana ho tratra ilay fe-potoana amin’ny 29 febroary. Farafahakeliny mantsy dia herinandro no handinihan’ny Parlemanta ity resaka famotsoran-keloka ity, izay tsy azo atao maimaika mihitsy noho ny maha saropady azy amin’ny ho tohin’ny raharaham-pirenena. Noho ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna anefa, dia mety hihemotra ny asa rehetra, na eo anivon’ny governemanta io, na any amin’ny Parlemanta, satria laharampahamehana aloha izao ny fanampiana sy famonjena ireo traboina an’arivony manerana ny Nosy, eo ihany koa ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba.

Atao ahoana tokoa moa ny hiasa am-pitoniana raha toa ka simba ny ankamaroan’ireo birao sy tranom-panjakana ? Azo antoka fa tsy maintsy hanova ny tontolo politika sy ny famahana ny krizy ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna, eny fa na dia eo amin’ny resaka tetiandro fotsiny aza. Ny olana amin’izy ity dia mitombo ny krizy sy ny fahasahiranan’ny vahoaka, ary hihamafy ny asa miandry ny fitondrana tetezamita. Tsy ho mora ny hanarina ny simba manerana an’i Madagasikara ary mila vola be izany. Sahirana ny vahoaka ankehitriny, mila ny fanampian’ny fanjakana, ary rariny sy hitsiny raha mangina mihitsy aloha ny adilahy politika. Tsy fotoan’ny ady mangatsiaka intsony koa izao fa tokony hahay hifanaraka tsara amin’izay ny Filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra mba hampirindra ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana. Mandalo fisedrana mafy ny fiaraha-mitantana ka ho hita eo amin’izay ny fahaizan’ireo mpitondra sy mpanao politika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT