Fandaharana iray anisan’ny mahasorena ny mpihaino ny Radio Madagasikara sy mampi-«zap» ny mpijery ny Televiziona Malagasy ity fandaharana « ady gasy »
entanin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andriampanjakana Andrianjato Razafindambo Vonison sy ny Talen’ny Kabinetrany Ratiarison Nivo ity. Resaka tsy misy tanjona, fa karazan’ny resa-poana, resaka manolana ny ati-fanahin’ny Malagasy ho amin’izay tian’izy ireo hitondrana azy. Lazaina foana fa fandaharan’ny Fiadidiana ny Repoblika ny «ady gasy». Mazava izany fa ny endriky ny resaka atao ao anatiny no endriky ny fitondrana misy ankehitriny, endriky ny tsy fahaiza-mitantana, endriky ny gaboraraka, endriky ny fanitsakitsahan-dalàna sy ny fanenjehana olona tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana misy. Mahagaga ny mbola aneken’ny Filoha Rajaonarimampianina ny karazana fandaharana mandoka azy toa io «ady gasy» io. Entina fotsiny anakonana ny tsy fahombiazana. Ny any amin’ny faritra rehetra moa tsy mahita ny zava-misy marina koa tsy mahagaga raha voaolana ny ati-fanahiny ary tsy afa-mieritreritra intsony izy. Fa mba voaresaka ao amin’ny “ady gasy” ve ny fahoriam-bahoaka ? Sa afindra any amin’ny olona tsy tiana sy any amin’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana ? Mba hadihadiana ao amin’ny ady gasy ve ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ny basy miparitaka, ny «kidnapping» ? Sazaina fa ny fitondrana Ravalomanana izay naongan’izy ireo no tompon’antoka ? Sao mba diso fahavalo e ! Izany no mampivalana lava ny resaka atao ao anatin’io fandaharana io. Ry zalahy rahateo moa nitelina ny voamanadino ka tsy miherika akory ny fampanjariana ireo haino amanjerim-panjakana ireo fa toa mody fanina, ary mihevitra fa azy roalahy irery ny Radiom-pirenena sy ny Televiziona Malagasy. Tokony hieritreritra ny Filoham-pirenena fa mampihomehy raha eo amin’ny tontolon’ny haino amanjery no mbola hisy minisitra sy talen’ny kabinetra hanentana fandaharana, raha tsy hoe angaha hiborosy fotsiny, ka ny mainty havadika ho fotsy, dia afa-po eo koa ny filoham-pirenena. Tsy tokony ho izany no atao, fa misy mpanao gazety mahay manentana fandaharana sy mitondra adihevitra ao amin’io Radio sy Televiziona Malagasy io. Ny toa izao no nisy tamin’ny fitondrana revolisionera staliniana teto. Ry zalahy rahateo tao anatin’izany no notezaina raha resaka politika, fa nivadibadi-doko e ! Dia izao iaraha-mahita izao ny vokany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.