Politique

Fanavotana ny firenena Mitohy ny hetsiky ny Maitre Avoko


  • Zoma 16 Martsa 2012

Mitohy hatrany ny hetsika Masoandro Maraina tarihan'ny Maitre Avoko.

Fantatra ary izao fa efa manomboka tonga tsikelikely eto Antananarivo Renivohitra ireo maitre kung fu sy tompon'andraikitra ANAWI avy any amin'ny faritra. 400 moa izy ireo no hiatrika ny fiofanana sy handray ny toromarika rehetra mikasika ny mety ho tohin'ny hetsika Masoandro Maraina. Araka ny fanazavana azo avy amin'ny Maitre Avoko dia ny sabotsy 17 martsa, izany hoe rahampitso tontolo andro, ny fiofanana. Ny alahady 18 martsa kosa dia hisy ny fivoriana lehibe tahaka ny efa fanao, ka eny amin'ny Espace Mon Gouter Andrefan'Ambohijanahary no hitrangan'izany manomboka amin'ny 2 ora tolakandro. Afaka manatrika io fihaonana io moa ny olom-pirenena rehetra. Hisy ny famelabelaran-kevitra sy fampianarana ataon'ny mpikarakara. Miroso amin'ny fametraham-panontaniana sy ny famaliana azy, aorian'izay.

Manamafy hatrany i Avoko Rakotoarijaona sy ireo mpiara-miasa aminy fa rehefa tafaverina amin'Andriamanitra ny Firenena ka eken'ny Malagasy fa tany manan-kasina ity Madagasikara ity, dia ho foana ho azy ny adilahy politika, ka hipoitra sy ho azon'ny Malagasy trandrahana ary hanjakany sy hanatsara ny fiainany ireo harena rehetra misy eto. Raha miova fomba famindra isika ka tena miverina amin'Andriamanitra ary miaina miaraka amin'ny fahamarinana sy fihavanana ary fifankatiavana, dia handroso i Madagasikara, ka ho lohany ara-toekarena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indianina amin'ny 2017. Fa raha miziriziry hiditra amin'ny lalàmpanorenan'ny Repoblika Fahefatra isika, dia any amin'ny taona 2079 any indray vao mety hiverina amin'ny fampitodihana amin'ny lalana tena izy, ka hahita ny masoandro maraina i Madagasikara, hoy ihany ny Maitre Avoko. Raha nanontaniana ny amin'ny tena tanjona tiany hahatongavana marina moa ny Maitre Avoko dia nilaza fa mizara ny fahalalany sy ny fahaizany amin'ny Malagasy izy ary mifanome tanana amin'ireo rehetra mino sy matoky fa Andriamanitra irery ihany no mahavaha ny krizy sy afaka manavotra ity firenena ity. Tsy misy mahalala ny ampitso, hoy izy fa dia ny miara-miasa hamaha haingana ny krizy aloha izao no atao.

RTT
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT