Mahamenatra ny zava-misy eto amintsika, hoy i Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’ny Kaominina Ampitatafika, Antananarivo Atsimondrano, raha naneho ny heviny mikasika ny fitsabahan’ireo teratany vahiny loatra amin’ny raharaham-pirenentsika izy.
Nambarany fa very hasina tanteraka isika Malagasy ary tena voazanaka tokoa na ara-tsaina izany na ara-bola, indrindra fa ny mponina eto an-drenivohitra. Tsy mipetraka araka ny tokony ho izy intsony hoy izy ny fiandrianam-pirenena izay tena sarobidy amin’ny Malagasy tokoa fa tena voahitsakitsaka. Raha tiana ny hanavotra an’i Madagasikara dia tokony omena ny tantsaha ny baolina mba hitondrany azy, hoy i Rado Ramparaoelina. Ireo mantsy hoy ity farany no mbola mitana ny tena mahamalagasy ka tsy azo rebirebena na fitahana toy ny mahazo ny Malagasy sasany amin’izao fotoana. Nanamafy i Rado Ramparaoelina fa tsy azo hiodivirana ny firosoana amin’ny fifidianana hivoahana amin’izao krizy lalim-paka lalovan’ny firenena izao. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy tokony ny vahiny no hibaiko noho izy ireo mitanila ary hita taratra fa manohana kandida iray. Porofon’izany hoy izy ny fahanginan’ny TROIKA sy ny SADC tamin’ny fandikan-dalana nataon’ny filohan’ny FAT nefa manohitra mafy ny filatsahan-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ny filoha Didier Ratsiraka izy ireo izay tena nanara-dalana tokoa tamin’ny fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.