Nanomboka omaly alahady 01 desambra 2019 ka hatramin’ny 15 mey taona 2020 ny fanaovana ny lisi-pifidianana hiantsorohan’ny komity eny ifotony misahana ny fifidianana na ny “commission electorale des electeurs”.
Ny sefom-pokontany no tompon’andraikitra voalohany ao anatin’izay. Ireo tanora vao feno 18 taona nahazo kara-panondrom-pirenena sy ireo mpifindra monina kosa no voakasik’ity fanavaozana ity. Nambaran-dRakotonarivo Thierry, filoha lefitry ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa manao fangatahana any amin’ny sefom-pokontany avokoa izay rehetra te hiditra ao anatin’io lisi-pifidianana vaovao io. Ankoatra izay dia asa be ihany koa no mbola miandry ilay komity amin’ny fanalana ny anaran’ireo mpifidy efa nodimandry, ireo efa voasazy ka very zo ary ireo efa nifindra monina any amin’ny toeran-kafa. Aorian’io 15 mey io dia fantatra fa mbola manana 20 andro ireo tompon’andraikitra sy mpifidy tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra vaovao hanaovana fanamarihana farany, mialoha ny tena hanakatonana azy tanteraka .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.