Hosokafana amin’ny fomba ofisialy any Toliara, anio alakamisy 01 desambra 2016 ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2016-2017 manerana ny Nosy.
Nosafidiana hanokafana izany ity renivohi-paritra Atsimo Andrefana ity noho ny taham-pisoratana anarana ambany dia ambany tokoa any amin’iny Faritany iny sy any amin’ireo Distrika miisa 58 hafa nandritra ny fanisana ny mpifidy farany ny 01 desambra 2015 hatramin’ny 31 janoary 2016. Ho an’ny CENI, ny lisi-pifidianana dia antoka hampangarahara ny fifidianana, miaraka amin’ny fitantanana fifidianana azo antoka sy ara-demokratika. Hiompana manokana amin’ireo tanora, vehivavy sy ny olona manana fahasembanana ity fanavaozana ity. Voalazan’ny lalàna fa ny 01 ka hatramin’ny 31 janoary no vanim-potoana hanavaozana ny lisitry ny mpifidy manerana an’i Madagasikara. Fotoana hahafahan’ny olom-pirenena mpifidy manerana ireo Distrika 119 eto Madagasikara hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana eny amin’ny biraon’ny fokontany misy azy ireo izany. Raha tsiahivina, 8,6 tapitrisa ny olom-pirenena voarakitra ao anaty lisi-pifidianana nofaranana ny 15 aprily 2016 farany teo. Amin’ity indray mitoraka ity dia hiezaka hanatratra mpifidy 10 tapitrisa misoratra anaty lisi-pifidianana ny CENI ho an’ny taona 2018.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.