Araka ny voafaritry ny lalàna dia ny 01 desambra no hanokafana indray ny lisi-pifidianana hahafahana manao ny fanavaozana.
Izany hoe fampîdirana ny anarana ireo vao feno 18 taona ka nahazo kara-panondrom-pirenena. Eo koa ireo nifindra monina tsy tafiditra tao anaty lisitra tamin’ny fifidianana farany. Raha ny voalazan’ny lalàna hatrany dia ny 15 mey 2020 vao hikatona tanteraka indray ny lisitra. Hofaranana vonjimaika amin’ny 28 febroary kosa kanefa mbola omena 20 andro ny mpifidy hahafahana manamarina ny anarany.
Eo ihany koa ny fanesorana ny anaran’ireo nodimandry, nifindra monina, ny olona voasazin’ny fitsarana sy ireo olona tsy manan-jo hifidy intsony, hoy i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry
ny CENI. Efa misy vaomiera manokana eny anivon’ny fokontany misahana ny fanisana ny mpifidy eny ifotony (CLRE) ka mpikambana ao ny sefom-pokontany miaraka amin’ny mpiadidin’ny fifidianana (agents électoraux) eny an-toerana ary miaraka amin’ny
tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina. Ankoatra ireo, andraikitry ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena no miditra ao anatin’io vaomiera io mba hahafahany manara-
maso. Hatramin’izay zara raha misy 10% manerana ny nosy no ahitana ny solontenan’izy ireo, hoy hatrany i Thierry Rakotonarivo. Kitoatoa tokoa ny fifidianana 2018-2019 nifanesy
ary tsy mitovy amin’ny fifidianana hatramin’izay, indrindra ny lisi-pifidianana. Re etsy sy eroa amin’ny haino aman-jery fa dia efa tomombana sy mizotra ara-dalàna ny fikarakarana ny
fifidianana kanefa tsy tamin’ilay fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ve no miverina ? Raha izay no mitranga eto an-drenivohitra, manao ahoana ny fitrangany any
amin’ny faritra any ? Manara-penitra tokoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.