Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),
izay hahafahan’ny olom-pirenena manamarina na ao na tsia sy manoratra anarana, dia nanome toromarika farany hoenti-manatsara izany ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Tanjona ny hahatomombana izany araka ny tokony ho izy satria io ny fisokafan’ny lisitra farany mialoha ny hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018. Manodidina ny 9,3 tapitrisa ny olona voasoratra anarana amin’izao ary fanambin’ny CENI ny hahatrarana 10 tapitrisa. Hanetsika ny hery rehetra araka izay tratra ity vaomiera ity, mba hahatomombana ny asa rehetra hatreny ifotony. Noho ny iraka mahasahana ny fametrahana ny Kaomisionina momba ny fifidianana eny anivon’ny distrika (CED), dia nahazo traikefa manokana hatrany ireo mpikamban’ny komisinina isam-paritra momba ny fifidianana (CER), indrindra fa ny filoha (PCER) sy ny sekretera mpanatanteraka (SPR). Nahafahan’izy ireo nampitombo ny fahaiza-manaony sy haha matihanina azy kokoa amin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaovina azy. Hisy ihany koa ny fiofanana manokana mandritra ny 3 andro hampanaovina azy ireo eny amin’ny foiben’ny CENI ny 15-17 novambra, izay hifantoka betsaka tamin’ny lafiny fanaraha-maso sy fiaraha-miasa mikasika ny ambaindain’ny zotram-pifidianana. Hiandraikitra izany ireo kaomisera momba ny fifidianana sy ny teknisianin’ny CENI, ka lohahevitra 6 no hifantohana dia ny ankapoben-javatra momba ny haitarika na “leadership”, ny teknika hoenti-manetsika ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, ny tsara ho fantatra momba rafi-dalàna mikasika ny fifidianana,… Ny 01 desambra izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy any Mahajanga ny RALE 2017-2018 andiany farany. Mbola maro ny ahiahy mikasika ny lisi-pifidianana na eo aza ny fampanantenan’ny CENI.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.