Politique

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Betsaka misoratra anarana eny amin’ny fokontany


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Nifarana ny 31 janoary lasa teo rehefa nanomboka ny 15 janoary ny andiany faharoa tamin’ny fandefasan’ny komitim-pirenena misahana ny fifidianana ilay boky hoenti-manavao ny lisi-pifidianana haparitaka eny anivon’ny fokontany.

 

 

Ho an’ny fokontany Manarintsoa Atsinanana dia  nanodidina ny 30 ireo tonga nanoratra anarana tao tamin’ity andiany faharoa ity raha 30 isa ihany koa tamin’ny andiany voalohany. Ireo olona tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ny ankamaroan’ireo tonga nisoratra anarana ireo raha araka ny fanazavan-dRaharimampionona Nirinasoa, sekreteram-pokontany eo anivon’ny fokontany Manarintsoa  Atsinanana. Ny ankoatra izay tsy taitra na dia efa nisy aza ny fanaovana peta-drindrina sy fanentanana nataon’ny fokontany. Nomarihiny manokana fa  betsaka ihany koa ny olona amin’izao no tsy taitra raha tsy amin’ny ora farany koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy mbola nifarana tanteraka akory ny fahafahana manavao ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ho an’ireo izay tsy tafiditra. Mbola azo atao tsara ny manatona  ny fokontany misy ny tsirairay avy hisorohana ny fimenomenonana rehefa tonga indray ny fifidianana manaraka.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT