Politique

Fanavaozana lisi-pifidianana Zara raha misy 1,5% ny nisoratra anarana


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Ny sabotsy 15 febroary izao ny fe-potoana farany fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Hahafahan’ireo feno taona misoratra anarana na mamafa ny anarany ho an’ireo nifindra toerana. 5 andro mialoha ny farany dia zara raha nisy 1,5%

 

izany hoe 150.000 eo ho eo ny fisoratana anarana. Ny tena famaranana vonjimaika dia ny faha-28 no hosoniavina. Haverina eny anivon’ny fokontany manerana an’i Madagasikara ny 1 martsa ka hahafahana manao fanamarihana ao anatin’ny 20 andro. Hofaranana tanteraka amin’ny 15 mey, ka izay lisitra mifarana eo no ampiasaina amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka hatao amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI Atoa Thierry Rakotonarivo. Tsy atao mahagaga ny endrika fahakivian’ny olom-pirenena amin’ny resa-pifidianana eto Madagasikara. Maro ireo toe-javatra toa niteraka adihevitra, toy ny fahatsapana tsy rariny, tsy fanarahan-dalàna,… saingy vitavita ho azy ireny na mety mahatsapa aza ny ankolafin-kery sasany eto amin’ny firenena fa nanana ny porofo mafonja mitohaka amin’ny tenda. Maro ny fanapahan-kevitra miteraka adihevitra, toy ny fifidianana tsy misy fitairanana sy fitoriana kanefa foanana kanefa misy ireo nanaovana fitoriana maro be ambara fa azo raisina fa tsy mitombina. Teo ihany koa ny fitsimbadihana vokatra, toy ny hoe ny laharana fahatelo no lasa lany. Mila fandinihana lalina ny resa-pifidianana eto Madagasikara.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT