Politique

Fanatsarana ny lalàm-pifidianana Mitohy ny fitakian’ny fiarahamonim-pirenena


  • Zoma 22 Desambra 2017

Nanatanteraka fikaonan-doha tetsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra ireo fiarahamonim-pirenena sy solontena avy amina antoko politika ho fanohizana fitakiana fanatsarana ny lalàna mikasika ny fifidianana,

raha ny fandaharam-potoana voalaza. Aorian’ity fikaonan-doha ity dia voalaza mbola hisy hatrany ny fanaterana ireo tolo-kevitra rehetra eny anivon’ny manampahefana. Nahitana mpandray anjara maherin’ny 70 isa moa teny an-toerana omaly ary voalosotena tao anatin’izany ny antoko politika HVM, KMFB, CRN. Ny volana martsa 2017 teo no efa nangatahana ny fihaonana tamin’ny governemanta mba hifampierana mikasika ny lalàm-pifidianana. Nisy ilay famoriana an-tsokosoko tao amin’ny Carlton Anosy indray alakamisy ny volana novambra iny moa. Tezitra ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena tamin’izay fotoana izay noho ny fisian’ny fifamtapitahana ka dia lasa navadik’izy ireo ho fivoriany hanoherana ny zava-nitranga tao amin’ny Carlton ny natao tao amin’ny hotely Colbert tamin’io andro io. Miala nenina ireto fiarahamonim-pirenena sy mpanao politika ireto ankehitriny ary handefa tolo-dalàna indray. Anisan’ny fanitsiana voarakitra, ohatra, ny amin’ny tokony hisiana fampielezan-kevitra 12 volana mialoha satria fohy loatra. Eo ihany koa ny amin’ny tokony hisiana banky tokana handraisana ny volan’ny kandida tsirairay hanao fampielezan-kevitra sy ny hamerana azy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT