Politique

Fanatsarana ny fifandraisana Notoloran’ny FES fitaovana ny Antenimieram-pirenena


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Taorian’ny niatrehan’ireo solombavambahoaka ny fivoriana nitambarambe notanterahina omaly talata 5 desambra teny Tsimbazaza, ka nandaniana ny volavolan-dalàm-pandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena nanomboka ny alatsinainy 4

 

desambra 2017 ka hatramin’ny 15 desambra 2017 tolakandro hifaranan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity andrim-panjakana taona 2017 ity ary hisongadinan’ny handaniana an’ireo volavolan-dalàna miisa 18 ao anatin’izay 11 andro hivorian’ireo depiote izay, dia nanatrika ny lanonana fanoloran’ny FES na Fondation Friedrich-Ebert Stiftung fitaovam-pifandraisana hoenti-manatsara ny site Web an’ity rafi-panjakana ity sy ny fifandraisana ankapobeny ao aminy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara notronin’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy sy ny ambasadaoron’i Alemana miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Harald Gehring. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Programme de coopération avec le parlement ataon’ny Fondation FES ity fanomezana ity izay fanamafisana ny andraikitry ny Antenimierandoholona sy Antenimieram-pirenena Malagasy eo amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT