Politique

Fanatrehana ny fetin’i Dada Niala bala Razanakolona


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Nanaitra ny maro ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, ny alin’ny alatsinainy 12 Desambra lasa teo, taorian’ny nanatrehany ny fankalazana ny tsingerintaona faha-62 nahaterahan’ny filoha Ravalomanana tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe ny antoandron’io.

 Nilaza fa voafitaka ny tenany raha nasain’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Ruffine Tsiranana, hiatrika io fety io ka nilaza fa “dinikasa no niantsoan’ny minisitra ireo Ben’ny tanàna, kanefa fetin’ny filoha Ravalomanana no tao”, hoy izy nanazava. Raha ny marina anefa dia nisy ny fanasana nataon’ny Minisitra Ruffine Tsiranana tamin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana ireo Ben’ny tanànan’i Vakinankaratra hiatrika io fihaonana io araka ny voalaza hoe : “fihaonana amin’ireo Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara niaraka tamin’ireo Parlemantera teo aloha, fampahafantarana ireo Ben’ny tanàna ireo olom-boatendry ary fankalazana ny tsingerin-taonan’ny Filoha Ravalomanana”, ary efa fantatry ny Lehiben’ny Faritra tsara izany matoa izy nitaona ireo Ben’ny tanàna tsy hiatrika ilay fanasana fa hiara-hisakafo aminy ao amin’ny “Restaurant Razafimamonjy”, satria samy mahavita izany, hoy izy.

Rehefa nandinika lalina ireo Ben’ny tanàna dia nisafidy ny hiatrika ny fanasan’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny minisitry ny varotra, Ramalason Olga ihany ka mba nanatrika ny tenany. Niala bala indray anefa izy fa tsy nahafantatra, hono, ary nilaza fa tsy mpikambana amin’ny ankolafy izatsy na zaroa ny tenany fa voafitaka. Raha tsiahivina anefa ny tantara dia mpikambana feno tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ny tenany teo aloha. Tsikaritra moa fa dia hifandroritana tanteraka amin’izao fotoana ireo Ben’ny tanànan’i Vakinankaratra hatramin’izay niverenan’ireo parlemantera Tiako I Madagasikara ao amin’ny fitondrana izao. Tantara mitohy ity, izay toa miendrika ady mangatsiaka sahady amin’ny mety hiomanana amin’izay fifidianana ho avy manaraka eo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT