Miakatra ny feo ao amin’ny Magro Behoririka, manoloana ny filazana fa mila mandalo ka hankatoavin’ny eo anivon’ny parlemanta roa tonta ilay sori-dalana nosoniavin’ireo mpanao politika vao manan-kery sy ara-dalŕna.
Namaly bontana ny Vahoakan’ny Magro omaly fa tsy mitombina izany. Raha izany no hitondran’ny FAT ny adihevitra, hoy ireo nandaha-teny tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka omaly dia tsy ara-dalàna avokoa izany ny nanendrena ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ny praiminisitra Omer Beriziky, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo eo anivon’ny Kongersy sy filankevitra ambonin’ny tetezamita. Fifanarahana politika iny sori-dalana iny, hoy i Ramy, solontenan’ny tanora ka dia tokony hampiharina avy hatrany toy ny nampiharana ireo fanendrena isan-tokony. Raha ny fanazavana ihany dia be dia be ireo fandikana ny sori-dalana nataon’ny FAT. Eo, ohatra, ny fanendrena ny praiminisitra izay olona tokony ho avy amin’ny mpanohitra tsy misy fangarony. Ny zava-nisy anefa dia olona avy amin’ny Leader Fanilo izay mpiara-dia amin’ny FAT ihany no notendrena. Voasoratra ao amin’ny sori-dalana ihany koa fa tokony hitovy ny seza zaraina. Raha ny ministera, ohatra, dia toerana 23 amin’ny 35 ny an’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy, ny eo anivon’ny CT sy CST moa dia tsy mihotra ny 30%. Ankoatra ireo dia notanisain’i Ramy, solontenan’ny tanora, ihany koa fa dia efa nisy lisitra minisitra efa tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena kanefa dia mbola naverina amin’ny toerany ihany. Manoloana ireo rehetra ireo, raha hiroso amin’ny fankatoavana io sori-dalana io ireo Parlemantera dia midika fa hanaiky ireo tsy ara-dalàna rehetra ireo.
Anio alarobia moa no hivorian’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ka anisan’ny lahadinika ny fifidianana birao maharitra. Fanontaniana moa no napetrany raha toa ka izany no laharam-pahamehana na ny fandinihana ny fampodiana ireo sesitany, famoahana ireo gadra politika ary ny famahana ireo haino aman-jery. «Efa feno ny fepetra hodianao an-tanindrazana ry Dada ô !», hoy ity solontenan’ny tanora ity satria fanapahan-kevitra politika izany. Hiditra amin’ny “drafitra B” ny hetsika ao amin’ny Kianjan’ny Finoana, araka ny fanazavan’i Sazalahy Tsianihy. Ny hanafainganana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no antony. «Rehefa tsy hanatanteraka iny sori-dalana iny i Beriziky dia miala izy !», hoy ihany i Tsianihy.
Manoloana iny filazan’ny praiminisitra Beriziky fa tsy mbola fotoana hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana dia nangataka fihaonana aminy ny ankolafy Zafy izay nanolotra azy ho praiminisitra amin’ity anio ity. «Hotairinay farany izy momba ny fampiharana ny sori-dalana», hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy, ingahy Dominique. «Raha tsy izany dia haonganay daholo, manomboka amin’i Andry Rajoelina sy ireo voatendry rehetra», hoy ihany izy nampitandrina. Araka izany dia hiakatra eny Mahazoarivo ny ankolafy Zafy Albert satria mahatsiaro ho manana adidy hiteny ny praiminisitra natolony. Tsy te hiray tsikombakomba amin’i Andry Rajoelina izahay, hoy ny pastera Edouard Tsarahame satria fantatray fa izay rehetra tonga ao amin’io fitondrana io dia tsy maintsy lalaovin’i Andry Rajoelina.
Nohamafisiny fa «rehefa tsy hanatanteraka ny sori-dalana dia miala na dia notendren’ny profesora Zafy Albert aza !». Iray tamin’ireo delegasiona nihaona tamin’ny minisitry ny fitsarana nitaky ny famoahana ireo gadra politika moa i Edouard Tsarahame. Araka ny tatitra nataony dia anisan’ny fanamarihana nataon-dRtoa Christine Razanamahasoa ny filazana fa misy olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert eo anivon’ny governemanta kanefa toa tsy mitaky ireo fepetra takian’ny eny an-kianja ireo. Fitakiana moa no nataon’i Edoaurd Tsarahame mba hanaovan’ireo olon’ny firehana Ravalomanana sy Zafy Albert ao anatin’io governemanta Beriziky io fanoherana (démenti) ny zavatra nambaran’ny praiminisitra. Mazava ny an’ny profesora Zafy Albert, hoy izy fa izay olony niditra tao amin’io governemanta io dia TGV.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.