Nihetsiketsika ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI nandritra ity taona 2016 ity nikarakara atrikasa sy fakan-kevitra tetsy sy teroa ho fanatsarana ny fifidianana rehetra ho avy eto amin’ny firenena.
Vao niandoha ny taona dia efa novinaina fa ny taona 2018 no hotontosaina ny fifidianana filoham-pirenena. Telo volana lasa izay dia noraiketin’ny CENI tanaty tetiandro mihitsy izany. Raha ny fihetsiky ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana na ny PNUD aza dia toy ny tetehin’izy ireo hialoha ny 2018 mihitsy ny fanatontosana ny fifidianana. Porofon’izany, tsy nahenoana tsikera loatra avy amin’izy ireo hatreto ny mikasika ny fitakian’ireo mpanohitra fifidianana mialoha ny fotoana. Tsy nisy fepetra ihany koa heno ho noraisin’ireo sehatra iraisam-pirenena manoloana ny fanambarana fahavononana hanongam-panjakana avy amin’ireo mpanohitra, toy ny DFP na ny dinika fanavotam-pirenena na ny Leader Fanilo, izay nilaza tamin’ny alalan’ny filohany eto Analamanga fa zo fototra io. Raha zohina, ny fitondram-panjakana ankehitriny sisa sy ny antoko HVM no tsy rototra amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana ary mbola malaina hiala eo amin’ny sezany na dia efa fanamarihana miiba avy amin’ireo mpandinika ny raharaham-pirenena hatrany aza no miantraika amin’izy ireo. Tsindry avy amin’ny fitondrana ve no tsy nampihambahamba ny filohan’ny CENI hiteny farany teo fa hangarahara ny fifidianana ?
Mirija

Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.