Politique

Fanatanterahana fifidianana Nanolotra 216 000 dolara ny Norvezianina


  • Zoma 22 Novambra 2019

Naneho ofisialy ny tosikara ara-pifidianana andiany fahadimy ho an’ny kitapom-bola SACEM (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar)

 

 

 mba hisian’ny fifidianana madio, mangaraharaha, eken’ny rehetra, milamina ary andraisan’ny rehetra anjara. Nihaona tamin’ny Filohan’ny CENI Atoa Hery Rakotomanana tetsy Alarobia ny mpitantan-draharaha Norvezianina Atoa Andreas Donevad sy ny Solontena maharitry ny PNUD Rtoa Marie Dimond omaly, ka nandritra io no nifanaovana sonia amin’ny fandrotsaham-bola 216 000 dolara Amerikanina avy amin’ny Norvezianina. Nampahatsiahivina fa mitentina 923 443 dolara tamin’ny 2017 sy 2018 ary 350 000 dolara ho an’ny 2019. Tena iankinan’ny fiainana ara-tsosialy ny fifidianana kaominaly ary zava-dehibe eto amintsika ary tena hahalalana sy hahafahan’ny mpanao politika mamaha ny olan’ny vahoaka, hoy mpitantan-draharahan’ny Masoivoiho Norvezianina eto amintsika. Mangataka sy maniry fangaraharana sy fahadiovan’ny fifidianana hatrany ny sehatra iraisam-pirenena, ka asa indray izay hiseho amin’ity indray mitoraka ity satria maro ny ahiahy mipetraka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT