Politique

Fanasana nivadika rombo Senatera HVM nodarohan’ny zandary


  • Alarobia 11 Janoary 2017

Nanaitra ireo namany tonga teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 6 janoary 2017, nandritra ny Asaramanitra nifampiarahaban’ny samy andrimpanjakana ny nahita fivontosana tamin’ny tavan’ny senatera HVM Thu Jaune Horace Man.

Tsikaritry ny maro koa io tao Farafangana, na nezahana notakonana tamin’ny solomaso fiarovana amin’ny tara-masoandro aza, nandritra ny dian’ny filoham-pirenena tany an-toerana tamin’ny 4 janoary 2017. Araka ny loharanom-baovao akaiky ity loholona ity dia nandritra ny fanasana nokarakarainy tamin’ny 2 janoary 2017 noho ny taona vaovao no nisy fifamaliana teo aminy sy zandary iray izay voakasi-tanana teo imason’ireo olona nasaina. Tsy nahalefitra ity farany ka niitatra ny raharaha, nivadika ho rombo ary tao anatin’ny fifampikasihan-tanana no nahavoa ilay senatera.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT