Politique

Fanasana ho eny Mahamasina Andriandrianina i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

Niteraka resabe etsy sy eroa ny amin’ilay taratasy fanasana amin’ny anaran’ny foloalindahy nomena ireo manampahefana na olo-manankaja na ireo nasaina manokana fotsiny izao hanatrika ny matso lehibe hotontosain-dry zareo etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina rahampitso 26 jona 2012.

 Andaniny dia mahafaly sy maharavo tanteraka an’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina ny nandray na nahita fotsiny azy io satria dia vita amin’ny taratasy matevina sy mangirana fatratra ary izay indray misy ny sarin’i Andry Rajoelina mianjaika fiakanjoana Mpanjaka ao anaty fiara miaramila misafo andian-tafika nanome voninahitra azy. “Izany hoy izy ireo ka tena filoham-panjakana.

Filoham-pirenena mihitsy aza no fiantson’izy ireo azy. Etsy ankilany dia ao ireo ankolafy mpanohitra sorena mahita an’io sarin-dRajoelina heverin-dry zareo fa maneso azy io. Nambaran’ny CT Randriamamizafy fa : «Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no efa nilaza fa tsy filoha faratampon’ny foloalindahy velively i Andry Rajoelina satria tsy mpitondra voafidim-bahoaka», ka tsy mendrika hitarika lanonana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ary tsy mendrika ny hahazo fanajana manokana avy amin’ny miaramila. Fiandaniana tsotra izao amin’ny mpanongam-panjakana no ataon’ny foloalindahy izay tokony hijanona ho tsy momba ny atsy sy ny aroa, hoy ny fanampim-panazavany. Manaraka izany, ho an’ny endrika ety ivelany, dia nampimenomenona CST maro tetsy Anosikely ny anarana voasoratra tety ivelan’ny fanasana fa nisy ny ankolafina parlemantera misoratra miaraka amin’ny vadiny izany fanasana izany, misy kosa ny “unilatéral” mandeha tokana nefa samy lohandoham-pisorona ao amin’ity rafitra ity ihany. Ny filoham-baomiera dia hombam-bady fa ny filohana vondrona parlemantera nanao sonia tondrozotra kosa dia ny anarany irery no ao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT