Fanarenana ny lisi-pifidianana

> Niala maina ny Governemanta


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013

Izay voasoratra dia voasoratra ! Tsy naharesy lahatra ny CENI-T sy ny vondrona iraisam-pirenena ny governemanta raha maniry ny hampidirana anaty lisi-pifidianana ireo olom-pirenena Malagasy tonga taona hadino tsy voasoratra ka tsy afaka hifidy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany natao ny 25 oktobra 2013 teo.

Na nahita aza ny governemanta, ary nanamafy izany ny tatitr’ireo mpanaramaso ny fifidianana Malagasy sy vahiny rehetra, fa nisy ny lesoka tamin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, ka tokony harenina mialoha ny fihodinana faharoa dia namahatra tamin’ny lalàna ireo teknisianina, fa tsy azo kitihina na sokafana ny lisi-pifidianana, fa dia miandry ny fanavaozana amin’ny aprily 2014 indray izay hadino tany. Ny 25 oktobra andron’ny latsa-bato, aza moa Rtoa Fatma Samoura, solontena maharitry ny Firenena Mikambana efa nilaza fa dia tompon’andraikitra tamin’ny tsy nahavoasoratra ny anarany tao anaty lisitra ny mpifidy ka tsy misy azo atao fa dia miandry amin’ny fifidianana kaominaly amin’ny 2014 izy ireny. Omaly, dia mbola nanamafy ireo teknisianina fa tsy ampy ny fotoana raha mbola hanosoka ny lisi-pifidianana, ary tsy misy tetibola ho amin’izany ihany koa. Manahy koa izy ireo sao hiteraka korontana ny mbola fikitihana ny lisi-pifidianana. Nafana ny adihevitra teny Mahazoarivo omaly, izay naharitra ora roa sy sasany teo, nandraisan’ny teknisianina avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita, primatiora, ministeran’ny atitany, ministeran’ny fitsarana, ministeran’ny vola anjara niaraka tamin’ny Ceni-T. Hanao fivoriambe ny Ceni-T anio, hanao tombanezaky ny asany, ary koa hijery izay fanarenana azo atao mifanaraka amin’ny andininy faha-31 amin’ny lalam-pifidianana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT