Politique

Fanarenana an’i Madagasikara Diso paikady ny mpitondra


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Tokony ho nampiharina nanomboka tamin’ny taona 2014 avy hatrany ny «Stratégie Nationale de Relance du Développement» na ilay fandaharanasa novolavolaina natao hisolo ny «Madagascar Action Plan».

 

 Mahakasika sehatra maro izy io toy ny fitantanana mahomby, ny asa, ny lafiny sosialy, ny fanajariana ny tany, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ireo tetikasa momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tombony lehibe amin’io tokony ho paikady nasionaly fampiaingana ny fampandrosoana eto Madagasikara io ny firotsahan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana mivantana miaraka amin’ny fanangonana ny hevitry ny mponina manerana ny nosy momba ny fampandrosoana. Andraikitry ny Pnud tamin’izany, ohatra, ny fandresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola iraisampirenena hanohana ara-bola ny fanatanterahana ny Snrd. Tsy hita tabilao araka ny fomba fiteny anefa mandraka ankehitriny ary toa very anjavona mihitsy aza ity programa noheverina hanokatra indray ny famatsiambola ka hanavotra ny toekarena Malagasy ity miaraka amin’ny Fed andiany faha-11 na koa ny tetikasan’ny filoham-pirenena amerikanina«Power Africa». Nankalazaina ihany ny Paikady Natao Dinasa saingy olana hatreto ny resaka famatsiambola, hany ka mionona amin’ny asa maika tanterahana ao anatin’ny 100 andro tsy ahitam-bokatra mivaingana ho an’ny vahoaka ny fanjakana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT