Niharan’ny fandrahonana an-telefonina nataona depiote MAPAR iray ny mpanao gazety iray ao Toamasina.
Hatramin’ireo mpiara-dia akaiky amin’ilay deptiote dia nandrahona ilay mpanao gazety avokoa. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ireo tarika Kaiamba teo aloha tao amin’ny “Foyer social Canada” ny zoma alina hifoha ny sabotsy, ka nandritra io alim-pandihizana io no noraisin’ilay depiote tamin’ny vozon’akanjony ity tovovavy iray mipetraka tsara tamin’ny sezany niaraka tamin’ny namany. Gaga ny rehetra nahita izany ka samy nifanontany tena sy nanontany ny anton’izao raharaha izao, tamin’izay no nahalalana fa tsy nety nandihy niaraka tamin’ingahy depiote ilay tovovavy ka tezitra ranamana sadry nandrahona tamin’ny teny hoe : “tsy hainao angaha fa depiote izaho ?”. Namaly ilay tovovavy ka teo no raikitra ny fanaingana vozon’akanjo. Voatery niditra ny mpisahana ny filaminan’ny lanonana nandamina ny raharaha. Nahita ary nitatitra izany tamin’ny vaovao ilay mpanao gazety, dia izao iharan’ny fandrahonana izao ihany koa. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha satria milaza ny tsy hanaiky mora foana ilay tovovavy noho ny herisetra nahazo azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.