Politique

Fanaraha-maso ny fifidianana Soso-kevitra 10 no nivoaka tetsy Ambatonakanga


  • Zoma 15 Martsa 2019

Nanatanteraka atrikasa fiofanana ny Ivotoerana SAFIDY ho fanamafisana ny Ivotoerana miaraka amin’ny fandrafetana ny paikadin- tserasera sy ny adisisika hanatanterahana ireo soso-kevitra nivoaka tamin’ny tatitra farany nataony nandritra ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

 Izao hetsika izao dia hiomanana sahady ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy eny anivon’ny kaomina ho avy, mba hanatsarana ny fomba fiasa, ny fandaminana rehetra ary ny fitaovana entina miasa. Ny fandraisana anjara mivantana an’ireo ekipa SAFIDY avy any amin’ny faritra dia tena zava-dehibe tokoa, nahafahana nifampizara sy nampisongadina ny zava-nisy niainan’ireo Firaisamonim-pirenenena, indrindra ireo izay avy amin’ny toerana saro-dalana. Soso-kevitra folo laharampahamehana no naroson’ireo mpandray anjara amin’ny fiofanana hanatsarana ny fomba fiasan’ny Safidy mandritra ny fifidianana solombavambahoaka sy fifidianana eny anivon’ny kaominina. Ireo sosokevitra ireo dia mahakasika ny lisi-pifidianana, ny fampielezan-kevitra, ny fitantanana ny fifidianana, ny fifanolanana mahakasika ny fifidianana ary ny fanatsarana ny didy aman-dalàna. Isan’ireo fifidianana nahitana fandraisana anjaran’ny firaisamonim-pirenena betsaka indrindra sy nahitana ny fahavitrian’ireo olom-pirenena mpanara-maso iny fifidianana natrehana ny taona 2018 iny, raha ny voalazan’ny solontena avy amin’ny Vondrona Eropeana. Antony iray hanohizana ny fiaraha-miasa amin’ireo firaisamonim-pirenena Malagasy miasa amin’ny sehatry ny fifidianana io fahavitrihana sy ny fahatontosan’ny asa tao anatin’ny fotoana fohy io. Nampahafantarina tamin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana toa ny CENI, ny avy amin’ny HCC, ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny avy amin’ny PNUD, ireo firaisamonim-pirenena samihafa, nasaina nanatrika ity fotoana ity, ireo tolo-kevitra ireo. Ny fifidianana tena manaja ny fenitra demokratika no hany afaka hamerina indray ny fitokisan’ny mpifidy, ka hisarika ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena.


 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT