Efa miparitaka manerana ny distrika ny fiarahamonim-pirenena KMF /CNOE.
Araka ny fanazavana voaray tamin’ny filohan’ity vovonana ity, vonona ny hanara-maro hatramin’ny farany ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, izy ireo. Ny eo anivon’ny distrika, dia efa misy mpikambana avy ao ary efa vonona amin’ny fanaraha-maso. Ankoatra izay, hiparitaka manerana ny toerana hanaovana ny fifidianana, izay ahiana mety hisian’ny halabato sy ny hosoka koa ny mpikambana. Nanao antso avo amin’ireo mpikambana manerana ny distrika koa, ny filohany fa mila mailo, mba tsy ahitan-doza. Raha sanatria tratry ny loza tampoka, dia tsy misy ny mpiantoka raha maratra. Nambarany, fa am-pitiavana no hanaovan’izy ireo ny asa, koa samia mailo avokoa ny mpikambana rehetra manerana ny nosy sy ny distrika, hoy hatrany ny tatitra voaray.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.