Ao anatin’ny fampahafantarana ny kandidan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara ny eo anivon’ny fikambanana Jeune TIM ankehitriny, raha ny fanazavan’ny mpitarika ny Jeune TIM Analamanga, Heriniaina Razanadrakoto.
Indrindra, ny eto Antananarivo, dia efa tena ao anatiny ny fampahafantarana sy fampandaniana ny kandida, Rina Randriamasinoro. Izahay dia manentana ny mpifidy hifidy sy hijery ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana rehefa mivoaka izany. Mila mailo foana, hoy izy, rehefa fifidianana toy izao na aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Mikasika ny resaka hala-bato sy hosoka dia efa naka lesona tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote izahay ary ho hentitra amin’ny fanaraha-maso amin’ity. Tsy maintsy ho mailo izahay satria maro ny porofo niaraha-nahita mikasika ny fisian’ny hosoka teo, hoy izy, ka mety mbola hitranga izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.