Fanaraha-maso ny fifidianana

> Vonona ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly ny momba ireo hetsika ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ho fanomanana sy fanohanana ny fifidianana ara-teknika, ara-pitaovana ary ara-bola.

Momba ity farany moa dia efa nisy ilay fandaharanasa ho fanohanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara na PACEM, misy ihany koa ny Basket Fund na ny famatsiam-bola avy any ivelany ho fanatanterahana ny fifidianana. Raha ny tatitry ny filankevitry ny governemanta omaly dia mahatratra 11,9 tapitrisa euros ny vola nampanantenain’ny Vondrona Eoropeanina fa omeny hanohanana ny fifidianana, ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana (PNUD) eto amintsika no mitantana io vola io. 1,1 tapitrisa dolara ny avy amin’i Japon, 100 000 dolara ny avy amin’i Korea Atsimo raha toa ka mahatratra 369 000 000 Ariary kosa no nomen’ny fanjakana Soisa. Efa nisy ihany koa ny fahatongavan’ireo mpanara-maso ny fifidianana sy manampahaizana momba ny fikarakarana fifidianana nalefan’ny sehatra iraisam-pirenena teto amintsika, anisan’izany ny avy amin’ny Firenena Mikambana izay nijery ny filana. Efa nandefa olona teto ihany koa tamin’ny fiandohan’ity taona ity ny Vondrona Eoropeanina ary nilaza fa handefa mpanaramaso rehefa raikitra ny fifidianana. Ny OIF ihany koa dia efa nandeha iraka matetika teto Madagasikara, tahaka izany koa i Soisa. I Rosia dia nilaza fa mety ho afaka handefa mpanaramaso ny fifidianana fa mbola handinika tsara. Marihina fa efa nandefa taratasy fangatahana tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fanohanana ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana ny fitondrana tetezamita, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ary efa nanaiky an’io ny avy any ivelany.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT