Politique

Fanapotehana ny Air Madagascar Namaly bontana an’ny Filoha ny DG


  • Zoma 29 Janoary 2016

Nohazavain’ny tale jeneralin’ny Air Madagascar ny tena marina nahatonga ny fahapotehan’ny kaompania Air Madagascar fa tsy araka ny nambaran’ny filoham-pirenena fa vokatry ny fitokonan’ny mpiasa.

 

 Niaiky Atoa Gilles Filiatreault fa latsaka an-davaka tanteraka ity kompania nasionaly nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ity ankehitriny.

Fatiantoka be

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly dia nilaza i Dada zily fa izany moa no anaram-bositra nomen’ny mpiasan’ny Air Madagascar azy fa vokatry ny olana ara-bola, ara-teknika ary eo amin’ny fandrindrana ny mpiasa dia tsy maintsy nandray fepetra amin’ny fandroahana mpiasa ny orinasa ka ireo manana ny fifanarahana ECD no voakasik’izany voalohany. « Nojerena tsirairay ny andraikitra tazonin’ny mpiasa rehetra hatrany amin’ny mpitantana ka hatrany amin’ny mpiasa tsotra ary dia foanana avy hatrany izay miteraka vesatra fotsiny » hoy ny tale jeneraly ny Air Madagascar. Etsy ankilany dia nofoanana ihany koa ny zotra niteraka fatiantoka fotsiny toy ny zotra nataon’ilay fiara Airbus A340. 19 tapitrisa dolara izao ohatra ny vola tokony hiditra tamin’ny Air Mad kanefa tsy tafiditra tamin’ny 2015, nisy hatrany amin’ny 7 tapitrisa dolara ny fatiantoka tamin’ny sidina tany Azia, 2 tapitrisa dolara kosa ny fatiantoka tamin’ny zotra nankany Afrika atsimo.

Tsy afa-miala

Hiezaka kosa ny Air Madagasikara ny hitady mpiara-miasa mba hoentina hanarenana faran’izay haingana ity orinasa ity. 24 ora taorian’ny nanaovan’ny filoham-pirenena fanambarana fa ny nataon’ny mpitokona tao amin’ity orinasa ity no nahapotika azy dia nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Gilles Filiatreault nitondra fanazavana teknika momba ny nahapotika ny orinasa izay raha fintinina dia noho ny fisian’ny mpiasa be loatra ka mandany vola sy ny nividianana ny fiaramanidina Airbus A 340 tamin’ny tetezamita ary minisitry ny vola i Hery Rajaonarimampianina tamin’izany. Na tsy nanana finiavana ny hanohitra ny fiarovan-tenan’ny filoham-pirenena ny amin’ny nahapotika ny Air Madagascar  aza ingahy tale jeneraly dia tsara mihitsy ny nitondrany an’io fanazavana io mba hahafantaran’ny vahoaka fa tsy afa-miala i Hery Rajaonarimampianina satria anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny nahapotika ny Air Madagascar  .


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT