Efa nivoaka ny hopitaly ny depioten’i Mananjary Anthelme Ramparany taorian’ny fanapoizinana azy tamin’ny alalan’ny zava-pisotro tany Fianarantsoa ny alahady lasa teo, ka tsy maintsy nakarina taty an-drenivohitra izy.
Nanome vaovao mikasika ny tranga nahazo azy ny tenany, ka nilaza fa aorian’ny fivalian’ny fitiliana natao no ahafantarana ny tena marina momba ity fanapoizinana ity. Tsy misy resaka zava-pisotro misy alikaola ilay izy fa « bonbon anglais » sy « Eau vive” no niaraha-nisotro, hoy izy. Mety ho tamin’ny vera nisotroany kosa no nasiana ilay zavatra saika hamosaviana azy izay mety ho poizina na fampatoriana mahery vaika. Nandeha ny resaka fa mety ho lonilony politika eo amin’ny samy mpikamban’ny HVM no antony. Nanamafy anefa ingahy solombavambahoaka fa tsy misy hidiran’ny politika ny raharaha fa halatra no tao ambadika. Raha tsiahivina, volamena mitentina 6 tapitrisa ariary sy finday avo lenta no anisan’ny very taorian’io fanapoizinana io, ka olona 3 niaraka taminy izay ahitana vehivavy iray no efa nosamborina. Efa nisy fotoana voaroba basy sy finday tany Mananjary ihany koa ny tenany. Sao dia ny fitondran-tenany mihitsy no mahatonga ny olona hanararaotra na hamaly faty azy ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.