Hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fanapariaham-pahefana ny CGLU (Cités et Gouvernements Locaux Unis d’Afrique). Lalana iray ahatongavana amin’izany ny firaisankinan’ireo mpitondra tompon’andraikitra akaikin’ny vahoaka, hoy ny tale eto Afrika Atsinanana Dr Juma M
. Nyende. Mpanatanteraka ireo hetaheta sy filan’ny mpiara-monina mantsy ireo ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ka tsara kokoa raha miombom-peo amin’ny fitondrana ny tenin’ireo mpiray tanindrazana izy ireo. Soso-kevitra mahomby amin’ny fampiharana ny fanapariaham-pahefana eto Madagasikara ny fananganana ny fikambanamben’ireo ben’ny tanàna manerana ny nosy, hoy ity mpitarika ny fikambanan’ny tanàna sy governemanta ifotony miray hina eto Afrika ity.Tohana manokana andrasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny maha-mpikambana feno azy ao ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fitantanana ara-bola ifotony, hoy kosa ny lefitry faharoan’ny ben’ny tanàna Andriamorasata Julien.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.