Politique

Fanaparam-pahefana Mpiasan’ny primatiora nandoro tranon’olona tany Ambovombe


  • Talata 12 Aprily 2016

Velon-taraina mafy noho ny fisandohan’andraikitra sy ny fanaparam-pahefana nataon’olona iray mitonona ho lehibebe ao amin’ny primatiora ny mpanao gazety Fernand Cello sy Ramatoa Zemey, manana

 

fianakaviana nogadraina tsy fidiny vokatr’izany. Raha ny fanazavana azo dia ady tany nitranga tao Beaniky Ambovombe Androy no niatombohan’ny raharaha. Tsy nijanona teo ilay mpiasan’ny primatiora tsotra fa nitory hatrany ny anadahin-dRamatoa Zemey in-telo ka tsy namelany raha tsy nidoboka any am-ponja efa ho roa volana izany. Antontan-taratasy noforonina no namelezany ny anadahiko, hoy Ramatoa Zemey. Nolazaina fa namory malaso  izy ary nakana vavolombelona miisa dimy saingy namoaka ny marina ilay farany tamin’ny ora farany ka niara-nogadraina izy roalahy. Araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety hatrany dia nandoa 2 tapitrisa Ar avy ireo vavolombelona efatra dia afaka avokoa raha noteren’ny CB any an-toerana mba hanao izany koa ilay vavolombelona iray sy ny anadahin’i Zemey saingy tsy nanana. Notazonina roa herinandro tao amin’ny zandary izy ireo vao nogadrainy. Voatery niditra an-tsehatra nanao fanadihadiana mikasika ny raharaha moa i Fernand Cello, mpanao gazety fanta-daza ao Ilakaka ka nambarany fa efa nihaona tamin’ny procureur any an-toerana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana izy. Nampanantena ny hamoaka ny anadahin-dRamatoa Zemey izy ny alatsinainy saingy tsy nisy  na dia efa nisy aza ny fangatahana fivoahana vonjimaika natao. Tsiahivina fa mbola nodorana ihany koa ny tranon-dRamatoa Zemey sy ny fianakaviany ary mbola nalain’io mpiasan’ny primatiora ihany koa ny antsasaky ny taniny, araka ny fanazavany hatrany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT