Manoloana ny fisian’ny tsy fanajana ny lalàna velona misy eto Madagasikara, izay ataon’ireo mpanatanteraka dia nametraka fitoriana
teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona omaly talata 14 janoary 2020. Tao anatin’ny fotoana voafetra tsy nisian’ny antenimieram-pirenena dia nomen’ny lalàna fahefahana afaka hampanan-kery lalàna ny filoham-pirenena. Tokony hampandalovina amin’ny antenimiera anefa izany rehefa mitsangana ireo andrim-panjakana roa. Tsy voahaja io, ka nametraka fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombanana hita taratra tamin’ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra laharana 005-HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, izay noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, mikasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin’ny filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019, tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimieram-pirenena. Raha ny voalaza ao anatin’ny lalàna dia tokony hampandalovina sy hankatoavina eo anivon’ny Antenimiera roa tonta izany didy hitsivolana izany mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka. Efa niresaka matetika io endrika tsy fanarahan-dalàna io ny Filohan’ny antenimierandoholona, saingy niniana tsy nohenoina.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.