Mbola betsaka ny fanehoan-kevitra mandeha mahakasika ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay nilaza fa nomena fe-potoana ny fitondram-panjakana hampita amin’ireo didy hitsivolana maro izay mila hampandalovina eny amin’ny Antenimieram-pirenena mba hampanankery azy ireny.
Ny zava-misy dia tsy voahaja ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny volana febroary 2019 izay nandidy fa farafahatarany ireo didy hitsivolana, izay lalàna navoakan’ny filoham-pirenena, dia tsy maintsy hampandalovina sy laniana eny amin’ny Antenimieram-pirenena .Izany hoe omena lanja mifanaraka amin’ny lalàna mba hanan-kery. Ny nataon’ny HCC dia nanome fotoana fanampiny indray ny fahefana mpanatanteraka hitondra izany eny amin’ny fahefana mpanao lalàna. An-kilan’izay, misy lalàna mifehy ny tetibola sy resaka famatsiam-bola tsy mila hampandalovina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena intsony, hoy hatrany ny HCC. Tsy navahana roa moa ireo didy hitsivolana tamin’ny navoaka satria tsaroana ihany koa ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2019 dia tahaka izay ny fomba namoahana aza. Mbola adihevitra amin’izao satria dia lasa maro ny mahay lalàna. Very hevitra ny olom-pirenena: misy didy nivoaka fa tsy narahina; misy efa hita fa tsy mety, izany hoe tsy araka ny lalampanorenana kanefa ekena ihany aloha ary omena fe-potoana hanitsiana azy ny governemanta. Ilay fampiharana ny lalàna mihitsy no tsy mazava intsony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.