Politique

Fanaovan-tsonia ny tondrozotra Naneho ny heviny ny Amerikanina


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Taorian-dry zareo Frantsay dia naneho ny heviny manoloana ny nahavitana sonia ny tondrozotra ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny Tompon’andraikitry ny serasera sy ny kolontsaina eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonian’i Amerika eto Madagasikara, Brett Bruen.

 Manohana ny ezaky ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ho amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara i Etazonia, hoy ny fampitam-baovao nataony omaly. Nampatsiahy ity tompon’andraikitra ity fa tato anatin’izao krizy politika izao dia niantso hatrany ireo antoko rehetra izy ireo mba hiroso amin’ny sehatra hisian’ny marimaritra iraisana sy ara-demokratika hitarika ho amin’ny fifidianana malalaka sy marina ary mangarahara. Mahavelom-bolo ny fahitana fa niara-nivory nandinika izay tokony ho lalan-kizorana ny ankamaroan’ireo antoko politika manan-danja miampy ireo vondrona samihafa eto Madagasikara, hoy ny Amerikanina, ka iantsony ireo rehetra nanao sonia sy ny antoko politikany avy mba ho mendrika ny fanekena nataony tamin’ny nanaovany sonia ny tondrozotra ny 17 septambra.

Zava-dehibe, hoy ry zareo Amerikanina ny nahitana ny marimaritra iraisana ara-politika sy ny fanohanan’ireo Malagasy mpiara-miombon’antoka sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Nilaza izy ireo fa hiaraka hiasa  amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mba hampandrosoana ny ezaka mankany amin’ny fifidianana eken’izao tontolo izao sy hamerenana ny fitondrana mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana eto Madagasikara. Manantena ny bekintana fa ho mariky ny fiantombohan’ny pejy vaovao eto Madagasikara ity fifanarahana ity, ary hiara-kientana ao anatin’izany ireo antoko politika samihafa hikendry izay tena hanafainganana ny ezaka mankany amin’ny famerenana ny demokrasia feno sy malalaka, ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanajana tsy misy ankolaka ny zon’olombelona eto Madagasikara.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT