Politique

Fanantera Longin “Nanomboka omaly ny fiverenan’ny Fihavanana eto Madagasikara”


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Mbola samy miandry ny ho vokatry ny diniky ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina atao atsy Seychelles ny rehetra.

 Tsy marina intsony ny filazana fa tsy hihavana mandrakizay izany Rajoelina sy Ravalomanana izany, hoy i Longin Fanantera. “Manomboka androany (omaly) ny fiverenan’ny Fihavanana eto Madagasikara ary dia misantatra ny fampanjakana azy io ny dinika any Seychelles”, hoy ihany ity zanak’i Beloha Androy ity izay nampanantena fa hanolotra omby 30 rehefa vita ny fampihavanana, hovonoina etsy Mahamasina ka ny 10 amin’ireo dia ho an’ny tafika. Miantso ny rehetra moa ny tenany mba hihavana, eny hatramin’ ireo vondrom-bavaka isan-tokony izay samy manana ny ankolafiny na dia Andriamanitra iray ihany aza no hivavahana. Momba ny famahana ny krizy indray dia heverin’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa ny MAPS ihany no alaolana. MAPS izany hoe Maputo, Addis Abeba, Pretoria ary Sandton/Seychelles.

Nangonin’ i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT