Politique

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1


  • Zoma 15 Novambra 2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

 

 

Toerana tsy lavitra an`Antananarivo satria tena ilaina ny fanitàrana ny tanàna. Apetraka ny drafi-panarenana sy fanajariana amin’iny lalana mampitohy an`Antananarivo sy io tanàna io. Apetraka ihany koa ny fanajariana ny tontolo iainana noho ny tanàna vaovao ekolojika. Eo koa ny fifehezana ny rano sy ny toerana malalaka samihafa mba tsy ho tototry ny trano foana izay malalaka. Mandritra izany, atao fantatry ny olona ny homena azy ho takalony. Atao ny fanajariana ny toerana hamboleny sy hiompiany ka amin`izay izy ireo ihany dia efa afaka mamatsy vokatra ho an`Antananarivo. Toy izany ihany koa, izay rava trano, mba efa monina an-dapa izy toy ny nanjo ny mponin’Ambatovy. Amin’izay ny 20 tapitrisa dolara ampiasaina amin’ny fampandrosoana hafa. Ny tena mampilamina indrindra aloha dia ny tanety tsy mila totofana. 3 km miala amin’ny « centre-ville » i Ambohitrimanjaka. Maninona moa raha ny toerana nisy ny NASA fahiny, 22 km miala ny renivohitra, eny Imerintsiatosika izay an’ny fanjakana madiodio, no hananganana tanàna vaovao. Amin’ izay ny RN1 no hisy ny tanàna vaovao voalohany ary manana ny  lalana migodana voalohany. Amin`iny faritra iny rahateo no tena ahitana fitohanana matanjaka isan’andro : mpianatra, mpiasa, mpivarotra, mpiantsena… Noho izany, azo atao ny mamindra ny tetikasa sady tsy mandany vola be. Ary ny vohitra koa tsy hotrongisina afindra amin’ny lemak’Ambohitrimanjaka. Sao kosa misy mamatotra ny fanjakana manokana amin’io faritra io ? Ary omena an’iza ireo birao izay hafindra any amin’ny Tanà-masoandro ? 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT