Politique

Fananganana Parlemanta Hamory mpanao politika eny Iavoloha Rajoelina anio


  • Zoma 25 Novambra 2011


 Raha mbola adihevitra tsy manam-piafarana ny nananganana governamanta, ambara fa fampiraisam-pirenena tarihin’ny praiminisitra Omer Beriziky, dia roso amin’ny dingana manaraka amin’ny fampiharana ny tondrozotra ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, dia ny fananganana Parlemanta. Hamory mpanao politika, indrindra ireo nanao sonia ny tondrozotra, eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha i Andry Rajoelina amin’ity anio ity. Raha ny voalazan’ny drafitra fampiharana ny tondrozotra dia vitaina mialoha ny faran’ity volana novambra 2011 ity ny fampijoroana ny Parlemantan’ny tetezamita.

Tsy mbola mitovy anefa ny hevitry ny mpanao politika ny amin’ny hoe fanitarana tokony hatao, araka ny voalazan’ny tondrozotra. Fandrafetana vaovao sa fampitomboana isa ireo efa am-perinasa no hatao, na amin’ny Kongresy, na ho an’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ? Andrasana ny ho endriky ny fandraisana anjaran’ny Arema amin’izao efa maha eto an-toerana ny amiraly Ratsiraka, izay filoha mpanorina ity antoko ity izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT