Nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny resaka fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Anosy omaly fa tsy misy idirany ny fahataran’ny fananganana ny “Haute Cour de Justice”
na ny fitsarana ambony natokana hitsara ireo manampahefana mandika lalàna eto amintsika. Mbola misy amin’ireo andrim-panjakana mantsy, hoy izy no manatanteraka fifidianana hahafahana manendry izay olona hampidirina ao ka miandry izany vao afaka miroso isika. Araka ny andininy faha-167 ao amin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 iainantsika izao dia tokony hitsangana 12 volana na herintaona taorian’ny fianianana nataon’ny filoham-pirenena ny “Haute Cour de Justice”. Mikasika ny raharaham-pirenena manokana moa dia niezaka niala bala hatrany ny filoha na dia maro aza ireo mpanao gazety naniry ny hiresaka taminy. Tompon’andraikitra vaovao miisa telo eo anivon’ny fitsarana an-tampony moa no nanatanteraka fianinana tetsy Anosy omaly, lanonana notarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Anisan’ireny ny filohan’ny mpandrava didy Rasolo Elise Alexandrine, ny filohan’ny mpanara-maso ny volam-panjakana Andriambolanirina Arison Jean ary kaomisera jeneraly Razafimanantsoa Sahondrarilala. Nambaran’ny minisitry ny fitsarana Ramanantenasoa Noeline nandritra ity lanonam-pitsarana ity fa hanohy ny asan’ireo tompon’andraikitra teo aloha lasa nisotro ronono no antony nanendrena azy ireo. Tsy miova ny asany, hoy hatrany ny minisitra fa toy ny teo aloha ihany toy ny fanapahana ny fandravana didy raha misy mila izany, ny fanaraha-maso ny volam-panjakana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.