Politique

Fananganana governemanta Tsy manan-tsafidy ny filohan'ny FAT


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Nitohy foana ny fihaonana tetsy sy teroa nandritra ny faran'ny herinandro.

 Araka ny fantatra dia miezaka mafy mandresy lahatra ny firehana roa, Ravalomanana sy Zafy Albert, ary ny antoko Monima ny eo anivon'ny FAT. Araka ny tsiliantsofina aza dia fantatra fa nanaiky izay ministera takian'ireo firehana ireo ny FAT. Ny antony dia hiezaka ny filohan'ny FAT hanangana ny governemanta anio. Noho izany dia manambitamby ireo mpanohitra ny tenany mba hiaraka aminy amin'izany. Ny Troika rahateo ihany koa izay fantatra fa tsy manaiky ny fanapahan-kevitra mandeha ila mihitsy fa tsy maintsy iarahana ny tetezamita. Tsy manan-tsafidy intsony, araka izany, ny filohan'ny FAT manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Hiroso tsy maintsy hifanaraka amin'ny firehana roa sy ny Monima ka hampandefitra ny hambom-po. Hihemotra indray anefa tsy afaka satria tsy manaiky ny fanapahan-kevitra samirery ny iraisam-pirenena indrindra ny SADC. Manampy izany rehetra izany ny vahoaka miha sahirana, ny jiro tsy mandeha, ny vary miakatra isan'andro, ny hena miaka-bidy isan'andro, ny asan-jiolahy mirongatra andro aman’alina mila tsy ho azo iainana. Ny loza aza dia mbola nilaza ihany koa ny minisitry ny angovo teo aloha fa tsy azo ihodivirana ny fiakaran'ny vidin-jiro.

Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT