Karazan’ny manery ny mpanao politika malagasy mba hahay hifandefitra sy hifanaraka mihitsy ny filohan’ny Vaomiera Afrikanina, Atoa Jean Ping.
Nisy taratasy ofisialy nalefany ho an'ireo rehetra tompon'antoka amin'ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy eto Madagasikara ny sabotsy lasa teo. Miantso ireo vondrona politika tsy an-kanavaka izy mba hikaroka ny fomba rehetra ahitana ny marimaritra iraisana ka hanangana haingana ny governemanta. Tsy tokony hiandry ela intsony ny fananganana ny governemanta raha ny nambaran'i Jean Ping satria efa tena sasa-miandry ny vahoaka Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena. Mampanahy ny fahatarana tamin'ny fananganana io governemanta io, hoy hatrany i Jean Pimg satria mitarazoka loatra ny asa. Notsiahiviny fa ny 16 septambra mantsy no nosoniavina ny sori-dalana, ny 30 septambra no voasonia ny drafitra fampiharana azy, ary samy nanaiky izany avokoa ireo vondrona politika rehetra.
Taorian'ny fanendrena ny praiminisitra kosa dia voatondro fa ny 17 novambra no tokony hitsangana ny governemantan'ny firaisam-pirenena. Tsy tanteraka anefa izany, ary raha ity taratasin'ny filohan'ny Vaomiera Afrikanina ity no dinihana dia hisy fiantraikany ratsy amin'ny fiainam-pirenena satria midika avy hatrany fa hihemotra koa izany ny fahatongavan'ny fanampiana sy famatsiam-bola hahafahan'ny fitondrana tetezamita miasa sy mikarakara ny fifidianana. Nampatsiahivin'i Jean Ping fa misy tetiandro tsy maintsy arahana ny fanatanterahana ireo dingana ho famahana ny krizy. Ka voalohany indrindra aloha dia mijoro ilay governemanta iraisan'ny rehetra, manaraka izay dia handinika ny dosie Madagasikara ny Filankevitry ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin'ny vondrona Afrikanina, ary aorian'izay dia hivory indray ny GIC-M mba handinika ny fomba hanetsehana amin'izay ny fanampiana an'i Madagasikara. Midera ny ezaka nataon'ny SADC Atoa Jean Ping ary mbola mampirisika sy mankahery azy ireo amin'ny asa fanelanelanana ataony eto Madagasikara. Raha tsorina ny resaka dia manery ny mpanao politika malagasy mba hahay hifandefitra sy hifanaraka ka hananganana ny governemanta ato anatin'ny fotoana faran'izay haingana ny Vondrona Afrikanina amin'ny alalan'ity taratasy avy amin'Atoa Jean Ping ity ary tahaka ny efa mampandre sahady fa tsy hisy vola fanampiana ho azo avy any ivelany izany eo raha tsy mitsangana ao anatin'ny fotoana voafetra ny governemanta.
RTT
Sary : Jean Ping, Filohan’ny Vaomiera Afrikana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.