Politique

Fananganana CENI Miahiahy ny AOSC


  • Zoma 17 Febroary 2012

Marina fa anisan'ny lalana hivoahana amin'izao krizy eto amin'ny firenena izao ny fanaovana fifidianana.

 Fifidianana malalaka, mangarahara, ekena sy ankatoavin'ny rehetra ihany anefa no hamerina an'i Madagasikara amin'ny ara-dalàna sy eo anivon'ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an'ny Vondron'ireo fikambanan'ny farahamonim-pirenena na ny AOSC dia tsy ho tody amin'izany fifidianana izany isika raha tsy arahina an-tsakany sy an-davany izay voarakitry ny sori-dalana. Anisany ny fiverenan'ireo sesitany politika, ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika rehetra, ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona noho ny resaka politika, ny fahafahan'ny rehetra mampiasa ny haino aman-jerim-pirenena, ny fanajana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, ny fanajana ny zon'olombelona ary ny fametrahana vaomiera tena mahaleotena sady ary fitaovana hisahana ny fikarakarana ny fifidianana.

Ny zava-misy anefa dia mampiahiahy ity vondrona fiarahamonim-pirenena ity ny momba ny lalàna mifehy ny CENI sy ny fanendrena ireo mpikambana ao aminy. Nahadiso fanantenana ny AOSC, ohatra, ny tsy nifampiresahana tamin'ny fiarahamonim-pirenena tamin'ny famolavolana ny volavolan-dalàna mifehy ny CENI izay toa hihazakazahana mafy ny hametrahana azy. Ahian'ity vondrona ity tsy hahaleotena tanteraka anefa ny CENI vaovao satria dia ireo nanao sonia miisa 11 ilay sori-dalana no isan'ny mpikambana ao. Manampy trotraka izany rehetra izany ny fanendrena ireo mpikambana ao ka tsy hay intsony hoe iza no manao inona ? Ankoatra izay koa dia betsaka ireo fifanoheran-kevitra ao anatin'ny lalàna mifehy ny CENI.

Anisan'izany, ohatra, ny mbola mampanan-kery ny lalàmpanorenana lany tamin'ny 2010 izay iaraha-mahalala fa hevitr'olon-tokana, ary feno hosoka sy tsy ara-dalàna maro. Nomarihin'ny AOSC koa fa ny lalàna hifehy ny fifidianana dia efa eny amin'ireo Parlemantera sahady kanefa ny CENI no rafitra tokony hamolavolavola izany aza tsy tafapetraka akory. Santionany amin'ireo tsy firindrana sy ahiahy momba ny fananganana ny CENI ireo naroson'ny AOSC ireo izay miantso ireo rehetra nanao sonia ny sori-dalana mba haka ny fepetra mifandraika amin'zany mba hizorana ho amina vahaolana maharitra.

soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT