Navoakan’ny fahefana ambony momba ny fangaraharana eo amin’ny fiainam-bahoaka (HATVP) any Frantsa ny faran’ny herinandro teo ny fanambaram-pananana nataon’ireo mpikamban’ny governemanta Frantsay.
Nivoaka tamin’izany fa misy ireo tena manan-karembe, toy ny minisitry ny asa Muriel Pénicaud, izy tompon’andraikitry ny lafiny maha olona na DRH tao amina orinasa iray antsoina hoe Danone teo aloha. Mahatratra hatrany amin’ny 7,2 tapitrisa Euros ny harena nanaovany fanambaram-pananana, ka manana trano lehibe mitentina 1,3 tapitrisa Euros any Hauts-de-Seine izy ary manana hafa mitentina 340 000 Euros. Teo anelanelan’ny taona 2012-2014 ny tenany, dia nanana 4,74 tapitrisa Euros. Miteraka resabe any Frantsa ny mikasika ny fananany. Tratran’izany ihany koa ny minisitra misahana ny fiampitana amin’ny angovo azo havaozina, Nicolas Hulot. Ny tiana hambara sy hahatongana dia ny hoe mba manao ahoana ny aty amintsika ? Misy ny lalàna manery ny manampahefana toy ny mpikamban’ny governemanta, parlemantera, ben’ny tanàna,… hanao fanambaram-pananana. Ekena fa misy tokoa ny manao saingy vita izay dia mijanona hatreo. Tsy mbola nisy teto amintsika ny hoe minisitra anankiray, ohatra, nampiasa ny fahefana teo am-pelatanany, ary vetivety dia lasa mpanefoefo sy tena manankarem-be. Rehefa miala amin’ny toerany, dia vitavita ho azy. Inona izany no tena lanjan’ilay fanambaram-pananana natao ? Tsy zon’ny vahoaka ve no mahafantatra hoe tahaka ny ahoana marina ny fari-pananan’ny olona mitondra azy, indrindra ireo tsikaritra ho mitombo harena amin’ny fomba mahagaga ? Raha ny vaovao farany, loholona 3 sy solombavambahoaka 3 no tsy nanao fanambaram-pananana hatreto. Mety hiharan’ny lalàna sy ny sazy ireo. Manao ahoana kosa ireo olom-panjakana mety nampiasa ny fahefana nenti-mampitombo ny harenany, izay mety tamin’ny fomba tsy ara-drariny ? Hatreto dia vitavita ho azy ny momba ireny olona ambony miala amin’ny toerany tsy misy arakaraka ireny na mangoron-karena amin’ny tsy ara-drariny aza, ka tsy hay atsy ho atsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.