Politique

Fanampiana an’i Madagasikara Nanao fanambarana ny Masoivohon’i Etazonia


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Namoaka fanambarana ny Masoivohon’i Etazonia omaly naneho ny alahelony tamin’ny fanambarana nataon’ny mpikambana sasany ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay nivoaka an-gazety, milaza fa mikasa ny hampitombo ny fanampiana omeny an’i Madagasikara i Etazonia.

 Hentitra ny Amerikanina nilaza fa i Etazonia dia tsy mbola nampanantena ny hampitombo ny fanampiana avy aminy vokatr’ireo fifanarahana politika farany teo. Hevi-dravina ny filazana fa mety hitombo ny fanampiana avy amin’i Etazonia. Ny Governemanta amerikanina mihitsy no hanao fanambarana raha misy fiovana mikasika ny fanampiana avy aminy na ny habetsaky ny fanampiana, toy izany koa ny vaovao mikasika ny fanekena ny fitondrana mijoro, ny famaritana na fanafoanana sazy ary ny fanolorana na fampihantonana ny vola fanohanana, hoy hatrany ny fanambarana. Samy manana ny fiandrianany na ny firenena na ny fikambanana iraisam-pirenena amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny sehatra toy izany.

Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa vonona hatrany i Etazonia hanohana ny ezaky ny SADC hikatsahana vahaolana politika eken’ny ankamaroan’ireo tena mpandray anjara Malagasy sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena. «Tsy mitsahatra miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminay izahay hanaovana izay ezaka hitondra mankany amin’ny fifidianana ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny famerenana ny fitondrana manaraka ny lalàmpanorenana eto Madagasikara.

Eo am-piandrasana izany dia tsy mihozongozona mihitsy ny fahavononanay hanampy ny Malagasy”. Manamafy ilay fanambarana fa manara-maso akaiky ny fivoatry ny toe-draharaha eto Madagasikara i Etazonia. “Rehefa tafapetraka ny fitondrana ara-dalàna, voafidy tamin’ny fomba demokratika sady manaja ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna, dia hodinihinay amin’izay ny famerenana ireo fandaharana tsy mifototra amin’ny fanampiana mivantana ny mponina sy ireo fandaharana hafa rehefa ilaina”. Nomarihiny fa mbola i Etazonia ihany no firenena mpanohana mivantana lehibe indrindra ho an’i Madagasikara.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT