Ho an'i Benjamin Andriamihanta mpanolotsaina momba ny lalàna ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia tsy resabe fa tena marina ny fahatongavan'ity filoha teo aloha ity, eto Madagasikara rahampitso sabotsy tolakandro.
Tsy tokony ho sakana amin'ny fahatongavany ary tsy mila atao resabe ny momba ny fiampangana an'Atoa Ravalomanana, araka ny nambaran'ity mpahay lalàna ity ihany. Nomarihany mazava tsara fa manatanteraka fotsiny ihany ny jeneraly Richard Ravalomanana izay be resaka etsy sy eroa, fa tsy tompon'ny lalàna tsy akory. Raharaha politika fa tsy raharaham-pitsarana no mahazo ny filoha Ravalomanana, hoy ihany izy, koa noho izany dia vahaolana politika no ilaina aminy fa tsy ny fampiharana an-jambany ny lalàna. Tsy marina velively ny filazana fa hiteraka korontana ny fodian'ity filoha teo aloha ity eto an-tanindrazana. Ireo maika sy dodona hisambotra azy amin'io sabotsy no tokony hieritreritra tsara ny fihetsiny.
Mino ve ireo mpitandro ny filaminana ireo, hoy ihany ity mpahay lalàna ity, fa tena vahaolana mahomby hametrahana ny fitoniana eto izany ? Nisarika ny sain'ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ny ekipany izy tamin'ny alalan'ny sarin-teny nanao hoe : “sao dia lasa “force de désordre”, fa tsy “force de l'ordre” ianareo amin'io zavatra kasainareo hatao io...”. Niantso ny tonia mpampanoa lalàna eny amin'ny fitsarana Anosy koa moa ny tenany mba handinika tsara ity fisamborana an'i Marc Ravalomanana ity, satria ao anatin'ny fahefany tsara ny fanafoanana na fampiatoana izany. Momba ny famerimberenan'ny vondron'olona sasany fa rehefa mipetraka tsara ny fitoniana vao tokony hody eto Atoa Marc Ravalomanana, dia fanontaniana no napetrany manao hoe : fa iza moa izany no manana fahefana hiteny hoe efa tony ny firenena, ary inona ny maridrefy amin'izany ? Tsy sangisangy ity fahatongavan'ny filoha Ravalomanana ity, ary efa voadinika ny hanatanterahana azy, hoy i Benjamin Andriamihanta koa dia amin'ny sabotsy...mifankahita e !
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.