Politique

Fanamboaran-dàlana Talatamaty -Ivato Nangoron’entana ny Sinoa


  • Talata 27 Febroary 2018

Nangoron’entana ny sabotsy 24 febroary lasa teo ny orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asam-panjakana hanamboatra ny lalana mihazo an’i Talatamaty, Ambohidratrimo sy Ivato iny, raha ny loharanom-baovao.

 

Re ihany koa fa tsy hanamboatra lalambe migodana na “autoroute” mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina velively izany koa ny sinoa. Resabe tahaka ilay “autoroute” nambara fa hampitohy an’Antananarivo Renivohitra sy Ivato tamin’ny andron’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, ary nambara fa kasaina ho vita alohan’ny volana novambra 2016 io resaka lalambe migodana mihazo an’i Toamasina io, saingy resabe fotsiny.  Hatramin’ny fanohizana ny fanamboarana ny lalan’ny Frankofonia nampiasaina vonjimaika aza tsy nisy tohiny intsony. Potika sahady anefa ilay lalana. Tsy hay aloha izay mety ho fanazavan’ny fanjakana manoloana ny toe-draharaha hoe: lany ve ny vola tokony nanamboarana azy ireny sa ahoana? Ny tsy azo lavina aloha, dia maro loatra ny fampantenana poak’aty sy ny asa petatoko. Nanana fahefana lehibe hanao tsindry mba hahatsara ny kalitaon’ny asa ny fanjakana saingy nisy zavatra tsy mazava tao matoa tsizarizary sy tsy manara-penitra ny asa no vita. Raha hanao fampitahana kely isika, dia efa am-polo taonany ny làlana mihazo an’Anosibe, ny By Pass mampitohy an’Ambohimangakely sy Iavoloha,… tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana, saingy tsy simba noho ny hatsaran’ny kalitaon’ny asa. Herintaona mahery kosa ny lalan’ny Frankofonia dia io potipotika io. Ny asa fanamboarana ireharehan’ny fanjakana eto Antananarivo aza moa dia dia tsikaritra ho manabaribary hatrany ny endrika ivelany fotsiny mha ho fisehesosehoana amin’ny hoe: “miasa ho anao ny fanjakana”. Misy antony goavana anefa matoa tsy miraharaha sy mangoron’entana mihitsy ny sinoa amin’izao, ary mety ho afera maizina sy resabola ahenoana anarana olona ambony no antony. Tantara mitohy vaovao indray ity !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT