Politique

Fanambin’ny Magro Rava ato anatin’ny roa volana io fanjakana io


  • Talata 27 Desambra 2011

Vanim-potoana sarotra ho an’ny mpitondra malagasy ny volana janoary sy febroary, raha ny tantaram-pirenena hatramin’izay no dinihina sy tsiahivina.

 Tato anatin’ny telo taona izao dia tsy nitsahatra nikorontana ambony ambany ny firenena. Tato anatin’ny tapa-bolana dia niha mafy sy niha lalina ny fikorontanana. Ny tena nafana indrindra hatreto dia ny raharaha mampifanolana ny polisy sy ny mpitsara. Tapa-bolana manko izao dia miha henjana ny tady eo amin’ny roa tonta ary karazan’ny tsy manana vahaolana ireo mialaza ho manana fahefana. “Raha izao zava-misy izao dia na Rajoelina miala, na izy no esorina. Raha hesorina izy dia na amin’ny alalan’ny hery na amin’ny alalan’ny tolom-bahoaka”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita (CT). “Roa volana raha ela indrindra dia ho rava io fanjakan-dRajoelina io.

Hanafaingana izany ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana», hoy ihany izy nanamafy. Nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Henri Randrianjatovo fa matoa mikorontana toy izany ny any ambony any dia mandeha araka ny tokony ho izy ny tolona ataon’ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ireo rafitra isan’ambaratongany. «Hanala ireo mpanongam-panjakana, hidiran’i Dada an-kalalahana no ataon’ireo olona notendrena rehetra ireo», hoy izy. Raha ny vaovao ihany dia ho avy eto Madagasikara indray ny solontenan’ny Troika amin’ny fiandohan’ny taona. Hisy fanapahan-kevitra horaisina amin’izany raha ny tokony ho izy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT